Fanonerana harena voajanahary ataon’ny Rio Tinto ao Madagasikara

Image

MALAGASY.

Fangoronan-tany avo roa heny amin’ny anaran’ny harena voajanahary ?

Taona tato ho ato, ireo kaompania mpitrandraka dia niroso mavitrika tamin’ny fanelezan-kevitra fa ny “fanonerana harena voajanahary” dia làlana “hanamaitsoana” ny sehatry ny fitrandrahana. Ny iray manokana amin’ireny tetikasa fanonerana, ny an’ny Rio Tinto QMM ao amin’ny faritra Anosy any atsimo atsinanan’i Madagasikara, dia voalaza ombieny ombieny fa maodely
amin’izany.

Ny Rio Tinto sy ireo mpiombon’antoka aminy ao amin’ny sehatry ny fitahirizana dia milaza fa ny paik’adiny ho fitahirizana dia hanonitra ny fahaverezan’ny harena voajanahary ary ny fitrandrahana mihitsy no hanana “fiatraikany mahomby azo tsapai-tanana” eo amin’ireny harena ireny amin’ny farany. Ny fikarohan’ny Re-Common syWRM niaraka tany ifotony tamin’ny 2015 anefa dia nahatsikaritra fa nifanohitra tamin’izay tantarain’ny boky mamirapiratra fanelezan-kevitra zaraina maneran-tany.

Ny ho enti-mivelon’ny mponina any ifotony dia vao mainka marefo, kanefa ny tombotsoan’ny Rio Tinto vao mainka manonga. Ireo mponina any amin’ny toerana iray hampiharana ny fanonerana harena voajanahary dia nianjeran’ny famerana najadona tsy nisy fifampiraharahana no sady tsy nisy fijerena ny mahazo azy. Ny fidiram-bola hafa nampanatenaina azy ireo hanamaivanana ny tsy fahafahany intsony hiditra ny ala dia tsy nisy tohiny mivaingana mandrak’izao, nefa ireo famerana henjana ny fahafahan’ny vondron’ny mponina mampiasa ny ala tafapetraka.

pdf: Fanonerana harena voajanahary ataon’ny Rio Tinto ao Madagasikara